Nom du blog :
              pastandry
              Description du blog :
              Pastora Loterana Malagasy
                    Catégorie :
              Blog Religion
              Date de création :
              21.01.2011
                            Dernière mise à jour :
              03.03.2016
                    			
              
                
                   
                
              
            
						>> Toutes les rubriques <<
						· TORITENY (1)
· FAMPIANARANA (2)
· Iza moa ny tenanay? (0)
					
              Accueil
              Gérer mon blog
              Créer un blog
              Livre d'or pastandry
              Contactez-moi !
              Faites passer mon Blog !
            
                · TEOLOJIAN'NY RANO
· Lioka 3:1-6
· Fanekem-pinoana NISEANA
· MITOHY INDRAY!
               
histoire roman histoire texte cinema
Derniers commentairesmakasitraka .tohizo hatrany re. aza reraka fa tia atsika jeso
Par Anonyme, le 06.07.2018
misaotra indrindra ny @ fampianarana.
 dia ny fiadanan'i tompo ho amintsika rehetra!
andr y // isoraka
Par Anonyme, le 06.03.2011
 
        
    Anisan’ny zavatra nimasoan’ny mpitondra fanjakana teo aloha teto Madagasikara ny amin’ny fanamboaran-dalana. Nezahina tamin’izany izay hampifandray ny faritra rehetra, ny distrika, eny hatrany amin’ireo faritra ambanivohitra indrindra aza, izay hita fa misy vokatra be kanefa tsy afaka mivoaka noho ny tsy fisian’ny lalana na ny faharatsian’ny lalana. Dia samy manana ny fomba fijeriny moa ny olona ny amin’izay mety ho tena fikendren’ny mpitondra tamin’ny fanatanterahany izany, na ho tena fikatsahana ny tombotsoan’ny firenena tokoa izany, na fikatsahana ny tombotsoan’ny mpitondra ihany. Kanefa tsy izany moa no resatsika eto ary tsy sehatra tokony hanaovana ady hevitra mahakasika izany koa izao sehatra atrehatsika izao. Tao anatin’izany rehetra rehetra izany no nivoizana ny teny faneva na devise manao hoe ”Amboary ny lalana eto Madagasikara”, ary ny sary faneva niaraka tamin’izany teny faneva izany aza moa dia nampidirina ho isan’ny sary famantarana ao amin’ny ravim-bola iray alina ariary izay mbola ampiasaitsika mandraka ankehitriny. Ary taty aoriana dia nampiasaina indray ny teny faneva na devise hoe ”Tohizo ny lalantsika”, nefa dia fantatsika moa ny tantara fa tohizan’ny hafa tokoa izy amin’izao fotoana izao ary mbola tsy fantatra izay direction hizoran’ny lalatsika hivoahana amin’izao krizy politika mianjady amin’ny firenena izao, fa ny anjaratsika mino dia ny mitondra am-bavaka ny firenentsika. Izay ny resaka fanamboaran-dalana eto Madagasikara, fa izay atrehitsika eto amin’ity texte anjaratsika eto ity indray kosa dia ny fanamborana ny lalan’i Jehovah, ka anaovan’i Jaona Mpanao Batisa antso avo, ny amin’ny teny faneva na devise izay efa nampilazaina an’Isaia mpaminany koa manao hoe: ”Amboary ny lalan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany”. Ary io no foto-dresantsika ankehitriny.
Jaona Mpanao Batisa no resahina eto. Ao amin’ny Filazantsaran’i Matio dia voambara fa amin’izay nateraky ny vehivavy dia tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa; amin’ny maha mpanondro sy mpialoha lalana mivantana ny Mesia azy, nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.Eto indray dia i Jaona Mpanao Batisa no ambara fa Ilay feo miantso mafy any an’efitra. Mialoha izany anefa, araka ny fanaon’i Lioka amin’ny maha manam-pahaizana na maha intellect azy sy amin’ny maha mpikaroka tantara na maha historien azy, dia fariparitany ny fanimpotoana sy ny toe-javatra manodidina izay zavatra horesahiny. Asehony amin’ny alalan’izany fa tsy mba mpanao histoire sans date ity na mpanao anganongano ka hilaza hoe indray andro hono, fa tena zavatra marimpototra ary azo antoka ny zavatra holazainy. Ary fantatsika mpianatra tsara moa izany, fa raha hanao DS amin’ny histoire na hanao fanadinana mahakasika ny tantara isika, dia zava-dehibe indrindra amin’izany ny fahalalana ny daty, ny olona nandray anjara tamin’izany ary ny toe-javatra nitranga. Raha asaina manao fanadinana ohatra isika ka ametrahana ny fanontaniana hoe: “Tantarao ny Repoblika Voalohany teto Madagasikara”, dia tsy hamaly isika ka hanao hoe: tamin’izany fotoana izany hono dia valo ariary ny mofo lava, ariary telo ny kilaon’ny vary ary ariary enina ny kilaon’ny henakisoa, dia izay. Tantara valamaty raha izay ihany. Fa tsy maintsy hamaritra isika hoe tamin’ny taona firy ka hatramin’ny taona firy moa no nisian’izany Repoblika Voalohany teto Madagasikara izany, iza no mpitondra tamin’izany fotoana izany ary inona ny zava-nisy.Fa raha tsy izany dia lasa manao tantara valamaty fotsiny isika.
Ny ambaran’i Lioka eto anefa dia tsy tantara valamaty fa tena tantara velona, ka ambarany mazava ny vanimpotoana nisehoan’ny zavatra hotantarainy. Ka eto dia lazainy fa tamin’ny taona fahadimy ambinifolon’ny nanjakan’i Tiberio Kaisara no nisehoan’ny tantara. Tiberio Kaisara dia Emperora faharoa tany Roma, ka amin’ny maha zanatany romana an’ny Palestina tamin’izay fotoana izay, dia teo ambany fanapahan’i Tiberio Kaisara emperoran’ny Roma koa izy ireo. Fomba fanaon’ny emperora tamin’izany fotoana izany ny mizara ny faritra tapahany ho fanjakana kely madinika maromaro ary dia nametrahany governora hiandraikitra ireo faritra madinika ireo. Tao Palestina rahateo koa moa efa nisy ny atao hoe tetra-arka na fanjakana efatra vokatry ny fizaran’i Heroda antipatera ny fanajakana tao ho an’ny zanany efa-dahy. Ka dia izany no antony anambaran’i Lioka eto ihany koa ny anaran’ireo governora na mpanapaka efa-dahy izay niandraikitra ny faritry Palestina; dia ao i Pilato tao Jodia, izay fantatsika tsara koa tamin’ny nitsarany an’i Jesosy, ao i Heroda nanapaka tany Galilia, ao i Filipo nanapaka tao Itoria ary i Lysania nanapaka tany Abilena. Ka raha apetraka ao amin’ny fanisan-taoana mahazatra antsika izany toe-javatra izany araka ny voalazan’ny mpanao fikarohana, dia tamin’ny taona 26 na 27 AD tany ho any, ary raha ampifandraisana amin’ny tantaram-piainan’i Jesosy indray izany dia tany amin’ny faha 30 taonan’i Jesosy tany ho any koa.
Nifanindran-dalana tamin’ny fahefam-panjakana notarihin’ny emperora sy ny governora koa tamin’izany ny rafitra nifehy ny Tempoly jiosy, ka izany indrindra no anamarihan’i Lioka eto koa ny anaran’ny mpisoronabe nitantana ny Tempoly dia Anasy sy Kaiafa izany.
Tamin’izany fotoana izany no tonga tany amin’i Jaona tany an’efitra ny tenin’i Jehovah. Tenin’i Jehovah izay nanainga an’i Jaona mba hiantso toy ny feo miantso mafy any an’efitra hanomana ny fon’ny olona ho vonona handray ny Mesia. Io no iraka na Mission nampiandraiketina an’i Jaona, dia ny hialoha lalana ny Mesia, hanamboatra ny lalan’i Jehovah, hanototra ny lohasaha, hampietry ny havoana sy ny tendrombohitra, hampahitsy ny meloka ary hanamarina ny mikitoantoana. Tsy hevitra ara-bakiteny anefa izany, ka hoe hiaraka amin’ny angady sy ny la pelle ary ny bar à mines i Jaona dia handeha hitrongy ny lalana rehetra ao Palestina, mba hahafahan’i Jesosy handeha ampilaminana, tsy hiaka-piakarana, tsy hidim-pidinana ary tsy ho tafintohina na totoitsa mihitsy amin’izay lalana handehanany, tsy izany no resaka eto, tsy ilay fanamboaran-dalana mahazatra antsika. Fa izay resahina kosa dia ny fanamboarana ny fon’ny olona, ny tsy maintsy hanomanana ny fon’ny olona ny amin’ny handraisany ny fahatanterahan’ny teny fikasana nambaran’ireo mpaminany fahizay ka hatramin’izao andron’i Jaona, dia ny hahatongavan’ny Mesia izany. Ka ny fanamboarana ny fon’ny olona dia tsy mba ny angady sy ny la pelle na ny tahatahaka izany, fa ny fitaomana azy ho amin’ny fibebahana kosa, ny fampiekena ny olona ny fahotany sy ny fahadisoany ary ny fampitodihana azy ao amin’Andriamanitra indray. Ary io no nataon’i Jaona Mpanao Batisa, fa raha vao nanomboka ny asany izy, araka ny voalaza ao amin’ny filazantsaran’i Matio, dia nitory teny ka niantso ny olona nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Ny fibebahana, io no fiomanana ny amin’ny handraisana ny Mesia, ary izany no nitarihan’i Jaona ny vahoaka. Ary na dia ny Batisa nataon’i Jaona aza dia natsoina hoe Batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka, araka ny ahitantsika azy eto. Ary izany indrindra moa no ampianarantsika fiangonana fa samy hafa amin’ny Batisa Kristiana iainantsika ankehitriny ity Batisa nataon’i Jaona ity, satria ny an’i Jaona dia Batisa natao ho fanadiovana sy fanomanana ny olona ny amin’ny hiavian’ny Mesia ihany, fa ny Batisa Kristiana kosa dia fiterahana indray izay ataon’Andriamanitra amintsika ka anadiovany antsika amin’ny alalan’ny rano sy Fanahy ary anolorany ny famelankeloka sy ny fiainana mandrakizay ho antsika. Ka tsy ny Batisa nataon’i Jaona velively no modely harahina amin’ny Batisa Kristiana, ka hilazana fa tsy maintsy hatao any renirano be izany, na hoe tsy maintsy ho olon-dehibe mihoatra ny 30 taona vao azo atao Batisa, fahadisoan-kevitra sy fiheverana ihany izany. Fa ny Batisa kristiana dia asan’Andriamanitra, ka tsy miankina amin’ny olombelona, fa vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany. Ka tsy hoe satria aho 30 taona, na hoe satria aho mahatsiaro mibebaka no anaovana Batisa ahy, fa asan’Andriamanitra atony noho fahasoavany irery ihany izany. Ary ny Batisa kristiana dia tsy mifototra any amin’ny reniranon’i Jordana velively, fa miainga eo Kalvary kosa, miainga eo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy, izay nanolorany ny ainy, nandrobohan’ny miaramila lefona ny lanivoany ka nivoahan’ny rano sy ny ra avy ao amin’i fon’i Jesosy, io no fototry ny Batisa Kristiana, ka nanendrena sy nanirahan’i Jesosy ny apostoly hitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra, ary hanao Batisa azy ireo koa, tsy misy ankanavaka, na ny lehibe na ny tanora, eny fa na dia ny zazakely menamena vao eo anonondreniny aza. Tsindriana manokana izany manolona ny firongatry ny fampianarana hafahafa, etsy sy eroa, amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Ny firongatry ny karazam-piangonana isankarazany, izay miseho amin’ny endrika samihafa. Ary matetika dia isika tanora no voajonon’izy ireny voalohany. Raha mba mandalo ery amin’ny Rex ery isika, dia mahita fa lasa fiangonana izy io, ao amin’ilay trano fandefasana CINEMA taloha, ilay trano nataon’ny mpanao arts martiaux DOJO taloha, io no lasa trano fivavahana, ary ekena fa manambola ny mpikarakara azy io mahatoa mahavita manofa io trano lehibe afovoan-tanana io. Dia raha mba mitsiritsirika eo ambaravarana isika dia mahita fa misy mpivavaka ao, ary dia voaravaka mirentirenty ny eran’ny trano, ary saika tanora no ankabeazan’ny voatarika ao, ary misy amin’izy ireny tanora loterana, misy amin’izy ireny KTLM taloha. Ka mba te hisarika antsika KTLM ihany aho mba hiorina tsara amin’ny fampianarana marina, na dia tsy ho feo miantso mafy any an’efitra toy ny an’i Jaona aza. Ka dia sahy mijoro vavolombelona amintsika ny tenako, fa ity fiangonana misy antsika ity dia izy, izy ity, mitory ny filazantsara marina aminao ity ary mitarika anao handray an’i Jesosy, ity ro i, hoy ny fomba fiteny hafa. Koa na dia tsy ho azoko ambara aza fa ity ihany no marina, satria tsy anjarantsika ny mitsara izany, ary tsy ho azoko ambara koa ny hoe raha miala ato ianao dia ho very, satria tsy fahefan’ny olombelona no milaza izany, ny zavatra azo antoka kosa dia izao; raha tsy miorina tsara isika amin’izay inoatsika, ka mety hosarihin’ny olona ho etsy sy eroa ka hiala amin’ny fiangonana efa nanabeazana atsika, dia mitombo bebe kokoa ny risque na ny ambana mety hahadiso lalana atsika. Akatotsika eo ny amin’iny fa hiverina ny amin’i Jaona Mpanao Batisa eto isika.
Nitory ny fibebahana tamin’ny olona i Jaona ary nitarika azy ireo mba hiroso amin’ny Batisan’ny Fibebahana ho famelan-keloka ho fiomanany amin’ny fandraisana ny Mesia. Nanao izany i Jaona ary nanatanteraka izany tamin’ny fony sy ny fotoanany rehetra ary tsy nizaha tavan’olona na dia niafara tamin’ny fanapahan-doha azy aza izany noho ny fahasahiana nanatra sy nanambara ny toetra sy ny fitondrantena tsy mendrika nataon’ny mpanjaka. Nahavita ny iraka nampanaovina azy i Jaona, nialoha lalana ny Mesia izy ary nanomana ny olona ny amin’izany. Tonga ny Mesia, maro ny nandray sy nanaraka azy na dia tsy ary nandray azy daholo aza izy rehetra. Ary nahavita ny iraka nampanaovina azy ihany koa ny Mesia, dia Jesosy izany. Izay tanteraka teo amin’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Ary nanoritra sy namboatra lalana vaovao ho an’ny olona koa Jesosy, dia lalana mizotra ho any andanitra, dia ny fiainana sy ny fiadanana mandrakizay izany. Ary tsy hafa izay lalana vaovao namboarina sy nosoritan’i Jesosy izany fa izy tenany ihany, araka izay voalazany ao amin’nyJaona 14:6 manao hoe « Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »
Ka isika ankehitriny dia tsy antsoina hanamboatra lalana vaovao intsony. Ary tsy hoe mbola miomana handray ny Mesia tahaka tamin’ny andron’i Jaona intsony isika. Fa efa tonga tokoa Izy, ary nanoritra lalana vaovao ho antsika dia ny tenany izany, ny famonjena vitany tamin’ny alalan’ny nanolorany ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana ho avotra hisolo antsika. Nefa dia nanambara koa Jesosy fa mbola hiverina indray izy, ary izany indrindra no marihintsika fiangonana amin’izao vanimpotoan’ny Advento izao. Ka inona ary no hataontsika, inona no andrasana amintsika manoloana izany mbola ho fiavian’i Jesosy indray izany?
Anisan’ny fiomanana iray izay tsy maintsy ataontsika amin’izany, araka izay efa nambaran’i Jaona Mpanao Batisa rahateo moa, dia ny fiainana amin’ny fibebahana, ny fiainana amin’ny fibebahana. Eny fa na dia heverin’ny sasany ho voambolana efa nilaozan’ny toetr’andro aza ny hoe fibabahana, ary heverin’ny sasany ho zavatra mahamenitra koa, dia fiainana kristiana izany, ny kristiana tsy mahatsiaro mibebaka dia tsy mitoetra amin’ny maha kristiana azy intsony.
Manaraka izany dia tokony hahatsiaro mandrakariva isika, indrindra fa isika tanora, fa tsy mandeha ho azy ny fiainatsika, tsy hoe izay tiatsika hitondrana ny fiainatsika no izy, fa misy lalana voasoritra hizoratsika amin’ny maha kristiana antsika, misy lalana efa namboarin’i Jesosy handehanatsika dia ny tenany izany. Ny fiaraha-mandeha amin’i Jesosy io no voasoritra ho antsika, fa raha misaraka aminy kosa isika dia tsy mahefa na inona na inona. Amin’izao vanim-potoan’ny fanatontoloana na mondialisation iainatsika izao, dia saika voizina mandrakariva ny fahalalahana, ny liberté-n’ny tsirairay. Ary dia entina izany hanohanana izany daholo na ny zon’olombelona, na ny zon’ny fahalalahan’ny fieretreretana, ny fahalalahan’ny fanehoankevitra.... Ary tsy misy izay maharatsy izany moa raha entina any amin’izay tokony ho izy izany, satria isika dia olona afaka rahateo, nefa tsy olona afaka amin’izao isika fa olona afaka ao amin’i Kristy. Io no tsy tokony hohadinoina. Fa ny zava-misy mantsy dia matetika lasa entin’ny olona any amin’izay tokony tsy ho izy izany heveriny ho fahafahana izany. Satria olona afaka aho dia tsy misy afaka manakana izany fahafahako izany, eny fa na dia ny maha kristiana ahy aza. Na eo amin’ny fomba fiainana izany, na eo amin’ny fitondran-tena, na eo amin’ny fomba fiteny dia tokony hotsaravotsika mandrakariva fa miara-dalana amin’i Jesosy isika. Fa vokatry ny fanadinoana izany no mahatonga ny olona sasany hihevitra fa satria olona afaka izy dia afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, eny fa dia kristiana aza, afaka manao fitondran-tena maloto, afaka mifanambady ny lahy samy lahy, ny vavy samy vavy, afaka miakanjo, afaka miboridana, afaka misotro rano, afaka misotro toaka, afaka miangona aty ampiangonana, afaka mamonjy bal any amin’ny Boite, afaka manao jipo lava, afaka manao mini jupe, afaka manao slim... ny hiafarany dia ny hoe afaka miala amin’i Jesosy, afaka ny ho any amin’ny helo.
Tsarovy fa miara-dalana aminao Jesosy, Izy rahateo no lalana, tia ny miara-dalana aminao Izy, ary tiany ianao. Raha izany ny fitiavany anao, sanatria dia ianao indray ve no hiala Aminy satria afaka miala Aminy ianao fa tsy voafatotra. Aoka tsy ho voafafa ao anatitsika fa Kristiana tanora isika aloha fa tsy tanora kristiana.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra mandrakizay, mandrakizay!
Misaotra indrindra ny @ fampianarana.
Dia ny fiadanan'i Tompo ho amintsika rehetra!
Andry // Isoraka
MAKASITRAKA .TOHIZO HATRANY RE. AZA RERAKA FA TIA ATSIKA JESO